Zay mangina volamena!!!! saingy toa aleo miteny ihany na dia ho varahina aza!!!!

Eny herintaona mahery zay no tsy nanoratra intsony. Leo angamba sa tofoka!!!! Zao anefa herintaona aty aoriana dia voatery miteny na dia ho varahina satria  tena tsy nisy fiovana ny toe-draharaha.

Nihamafy fo sy nanampi-tsofina (azafady indrindra fa manampahefana no resahana nefa izay no zavamisy) ary tena manao bontolo ity fitondrana ity hatrizao. Tanora tokoa ve? Sa voan'ny sagondi-panina ataon'ireo efa goaik'antitra manodidina azy?

Inona ny fiovana nisy hatrizao? Filoha Avon'ny Tetezamita i Andry Rajoelina. Ny fomba fanao dia ireo izay notsikerana teny amin'ny Kianjan'ny 13 May herintaona lasa izay no averina rehetra ary mbola mihoatra satria TGV ny milina ampiasaina ary miaramila no manao politika ka manahiran ny mamoaka hevitra satria fantatra fa manana Kalachinov reo. "Fiaraha-monina amin'ny mpanombi-kena hono, tahotra no be satria manana antsy foana izy any antsikinany any".

Ireto farany ireto no mampieritreritra satria toa misy ady antrano tsy tana intsony fa ho vaky bantsilana satria tsy nety ny fizarana ny saosy tao!!!! Fantatra izany izao fa reask tombotsoa manokana no nentina tao fa tsy misy izany "TOMBOTSOA AVON'NY FIRENENA" izany akory. Omeo porofo mifanohitra aho dia ho fafako io soratra io.

Ary ireto mpiara-mitolona? Vao maika loza ny zava-misy fa "harona feno foza (orana) no tao hoy Johary Ravoajanahary zay (ary nankaiza izy fa toa tsy hita intsony sa be resaka loatra dia nakisaka fa belazao!!!!). Mbola tsy tafita akory ny tolona dia efa samy mandeha samy mitady ry zareo ao. Eny tokoa, misy izany Défi 2010 zany, dia misy izany UDR izany koa!!!! Ary misy ireo izay efa nisintaka amin'ny fomba mihaja.

Etsy anoloana, ireo mpanohitra indray dia tsy fantatra izay tena marina. Fanambadiana an-tery é ka mionona amin'ny hoe :"izao no anjara é". Samy efa zokiny nefa vingavingain'ity boay kely ity eto!!! Manambatra hery aloha hatrizao fa ilaina izany, saingy toa efa misy afindrafindrao koa ao izany.

Ary inona marina no tena ilain'ireto Fianakaviambe iraisam-pirenena ireto é? Toa tsy mitovy fijery ry zareo indraindray nefa toa samy mandrahona hamely kanota nefa toa tsy taitra lay Boay kely fa mbola mankasarotra indray aza. Omena fe-potoana nefa toa ahemotra indray!!!!

Ary isika vahoaka manoloana izany rehetra izany? Vey asa ny ankamaroany satria tsy mandeha ara-dalana ny toekarena. Mitaky fanondrotana karama sy tombotsoa nefa ny hetra sy ny enti-manana tsy misy. Diso aho, misy ihany ny atao rehefa ho an'ireo miaramila , polisy sy zandary (na dia tsy nety aza ny fizarana ilay vola tany amin'i Ravalomanana!!!). Ka rah mahazo valiny mahafâpo eo ianareo mpitsabo dia hangataka koa izahay mpampianatra (ary efa misy izany izao). Dia mba mitaky koa izahay mpianatra eny amin'ny Oniversite koa izao.  Dia hisy filaharana koa zany? Zany hoe "rà mandriaka" indray ve? Aoka kosa é!!! Ny tamin'ny 07 Fvrie aza tsy misy tompon'andraikitra mazava hatrizao koa mbola ampiana hafa koa ve?

Toa tsy ho zakan'ilay boay kely ireto fitakian ireto sy ity fisavorovoroana eo amin'ny samy miaramial sy tafika ity. Fa iza aary no tena manolo-tsaina azy ao io é? Efa niala tao ny sasany kosa é!!!! Fanisy inona tao? Efa misy fofona hafahafa ao ny tena marina! Maimbo? Masiso? Maimbo-raikina? Asa re fa dia "eo tsika mahita izy"

Fehiny, raha tsy tena misy filaminana marina eto : tsy misy fisamborana sy ramatahora, mahazo maneho hevitra daholo ny rehetra, mahazo milatsaka ho fidiana izay te-ho kandidà, asaina miverina andakazera ireo miaramila rehetra tsy ankanavaka (mandeha misambotra ireo tena dahalo marina sy tontakely), ekena fa ny hevitry ny maro no mahataka-davitra (fa tsy teny ifampierana samy olona mitovy firehana fotsiny) ary tena omena porofo fa samy nantsoina tsy misy sakatsakana, ekena koa fa samy tompon'andraikitra tamin'ny zava-nitranga hatrizao, tena iainana ny fihavanana ka tsy misy atao tsindrio fa lavo eo,.... sy ny sisa izay tena mahasoa ; rah tsy ireo no itadiavana izay hevitra ivelomana azy ireo dia afaka manao TETEZAMITA valo taona ohatran'ny any Cote d'Ivoire koa isika!!!! Satria tsy hitombina izay hitondra eo fa mbola hisy indray ny fanonganam-panjakana ka tovovavy 20 taona indray no hitarika azy!!!! Andron'izy ireo tokoa moa androany!!!! Eny modely ratsy ity krizy ity ary afaka mijoro vavolombelona amin'izany ireo manan-janaka rehetra.

(0) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)