Mbola ilay resak kolontsaina ihany e! | Blaogin'i leboda

« Mialoha | Manaraka»

Mbola ilay resak kolontsaina ihany e!

Misaotra betsaka an'ireo efa namaly sahady ary izay mbola hitondra ny anjara biriky e!

Marina tokoa fa tena teorika hoy ilay namana izay lay resaka. Ekena tokoa izany.

Tsy ny fivavahana, na ny fanjanahantany tokoa no soketaina fa nanimba antsika fa tanara ireny ary nitondra zavatra samihafa teto.

Haka ohatra iray mba hamapazava ny tiana hambara ary aho.

Malaza ary tena ilofosana ny resaka rano, fidiovana ary fanadiovana amin'izao fotoana izao eto Madagasikara. Dia miasa amin'izany ny toeram-piasako.

Malaza fa tsy manaiky ny fampiasana ny lavapiringa ny aty amin'ny faritra atsimo.

Nanao fanentanana sy dinika mikasika izany tamin'ny Kaominia iray ny namana. Dia nijoro ny lehilahy iray fa fady aty amin'izy ireo ny manao lavaka sy mampiasa ny lavapiringa ary tena mila hanaovana sorona mba handiovana azy raha manao izany izy.

Dia nametraka fanontaniana ilay mpanentana tamin'ny besinimaro nanatrika teo hoe : marina ve izany? Dia namaly ny ankamaroany (indrindra fa ny tanora sy ny mbola tsy nahazo taona) fa marina io. Dia niangavy lay mpanentana raha misy zokiolona eo. Dia nitsangana ny lehilahy iray izay tena efa zokiolona tokoa.

Tsy marina izany hoy izy satria misy fitenenana aty amintsika milaza hoe : "Aza tratra hariva manary maloton-jaza sao voan'ny sovoka". Inona no dikan'izany? Tsy hoe ny sovoka no misy fa ilazana ny halaviran'ny toerana fanariana ny maloto ary efa voatokana izany.  Saingy noho ny fiovan'ny toetsaina dia eto an-tanana no anaovan'ny zaza maloto ary na dia ny olon-dehibe aza dia manao tsy lavitra ny tanana amin'izao fotoana izao. Ka tsy gaga isika raha tsy mahomby daholo ny atao rehetra satria efa tena maloto isika ka misintaka lavitra ny fanambinana rehetra.

Dia naverina tamin'ny rehetra ny fanontaniana ka tapakevitra ny rehetra fa averina io fomba amam-panao io. 

Dia nitsangana indray ny solontenan'ny kristianina fa tsy manaraka ny fomban-drazana intsony ry zareo ka inona no atao? Vakio ny ao amin'ny Baiboly Deteronomy 23, 13-15 hoy ilay Mpanentana izay efa nivonona tamin'ny Baiboly. Izao no voasoratra ao : Normal 0 false false false EN-US X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4

"Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan'ny toby ho fivoahanao;ary mitondrà fantaka miaraka amin'ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin'ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.

Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan'ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao."

Mazava ho azy fa tankina ireo kristianina rehetra ary nanapa-kevitra fa hanorina lavapiringa ny fiangonana ary isan-tokantrano dia samy hiezaka.

Ny Fokontany rehetra ao amin'io Kaominina io dia tapa-kevitra fa hamerina ny fomba teo aloha hatokana ho fivoahana ary any no hanorenana lava-piringa.

 

Inona ary no azo tsoahina amin'izay zava-misy izay?

Voalohany, efa very ny tena fomba amam-panao ka izay metimety amin'ny tsirairay no lazaina fa fomba ama-panao.

Faharoa, heverin'ny kristianina fa rehefa fomba amam-panaon'ny razana dia ratsy sy asan'i Satana avokoa ka aleveno impito mandifotr'olona nefa dia tena mitovy ny voalaza ao anaty Baiboly sy ilay voalazan'ilay zokiolona.

Fahatelo, na dia be fisainana sy fandinihana ireo razan-tsika fahiny dia efa mba nanana izay fandaminana niadiana tamin'ny loto izy ireo.

 

Fehiny, ilaina ny tena manao dinika miaraka amin'ireo zoky ray aman-dreny isan-tanana ka hahalalana marina ireo fomba fandaminana sy rafitra nisy ka niainana tamin'izany fotoana izany mba iaingana hatao fototra hanorenana na hanamafisana izay fampandrosoana rehetra tiana hapetraka. Maharitra sy hozanahin'ny olona tokoa izany ka haharitra satria mifanaraka amin'ny tena any anatin'ny aty fanahiny.

Ajanoko eto indray aloha fa sao dia lasa teorika indray hoy lay namana iray izay.

Amin'ny manaraka indray e!

 

LEBODA ihany e!

 

(4) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Hevitra 4 "Mbola ilay resak kolontsaina ihany e!"

  1. Soanja said: Sarotra ihany,

    11/01/2009, at 18:27 [ Valio ]

    Tsara dia tsara tokoa ity lohahevitra nentinao ity fa dia misaotra an'i Leboda nizara.

    Te hizara ny traikefa nandalovako matsy aho dia mba handray anjara eto momba ity lavampiringy ity ihany.

    Misy an'izay tanana ankodahoda be izay, lavitry ny fanjakana tokoa raha ny fijeriko azy, nananganan'i SAF FJKM ireo lavampiringy sy dosy ary lavoara efa misy ho folo no totalin'ireo. Mba nandeha nitsidika tany aho satria hanangana resaka famatsiana rano madio sy ny fandaminana rano ilaina ho an'ny tanimbary ary tanana madio sy vahoaka salama ny fikambanana iandreketako. Nankany amin'io tanana kely io aho satria mitovy razana sy habetsaky ny olona ary fombafomba ilay tanana hanaovana ny asa. Dia mba nijery izay efa misy any. Gaga tokoa anefa aho fa tsy misy mampiasa ireo zavatra rehetra natsangana ireo sy nandaniana volabe ireo. Fa dia mbola manao ny fanaony ihany ny olona. Ny vahiny mandalo no mampiasa azy ary ny tena mampalehlo dia tsy misy mpikarakara izy ireo fa simba sy maloto ka zary kilema ho an'ilay tanana mahafatifaty indray ny fisiany.
    Nony nanao fanadihadihana izahay dia teo vao fantatra fa hay natsangana fotsiny ireto mba handanina ny vola efa misy any sy ahazoana famatsiana vaovao indray fa ny fanabeazana ny olona teo an-tanana ny hisian'ireo zavatra fanasoavana ireo dia tsy ampy.

    Sahirana be ihany ny tena satria matahotra ny tena sao hitovy amin'io ny zavamisy io ny amin'ilay tanana vao hanaovana asa fanatsarana.

    Miezaka aho mieritreritra hoe hampiasa ireo zavatra mba takiany tokoa ve ireto vahoaka mangataka fahasalamana sy fahadiovana ary fanabezana ho lova ho an'ny zanany ireto?

    Enga anie!

    Satria ireto aloha raha ny hevitro dia nangataka sy maniry. Fantany ny lanjan'ny fahasalamana sy ny fanabeazana ary ny atao hoe maharitra mandrakizay izay naverimberiny taminay. Io no tian-dry zareo hono.

    Mora amintsika ve ny miala amin'ny mahazatra? Hatraiza ny fahafahan'ny tsirairay manova famindra sy fomba fiaina?

    Io angamba no tokony mbola ilaina fikarohana ihany; hatraiza ny ahafahan'ny fiaramonina iray miova fomba fijery ny fiainana? Iza no ho fanalahidy hanome io lalana tiana hizorana io dia ny fiovana malefaka nefa mandaitra?
    Firy taona aty aoriana vao hahalantsika fa tafita ny hafatra fanabeazana?

    Misaotra indrindra. Soanja.


  2. Tokinao said: ok

    12/01/2009, at 21:22 [ Valio ]

    tokinao

    Tena mahaliana ity lohahevitrao ity, satria ahafahana miady hevitra momba ny tokony hanatsarana ny toetsaintsika malagasy.

    Resaka lava-piringy ity voalazanao ity, fa maro ny sehatra afaka angalàna ohatra ; ary betsaka ny fomba tokony hovaina.
    - Any Atsimo ohatra : ny mpanankarena iray dia tsy maintsy milevina amina faritra lehibe iray, ary izy irery no ao. Ka hoy ny hanihaniko any an-tsaiko hoe : raha izao no mitohy dia angamba tsy hisy toeran'ny velona intsony fa feno fasana i Madagasikara.

    - Ao Afovoan-tany 'ndray, ary ny any Atsimo koa : misy fianakaviana mandany vola be amin'ny famadihana isan-taona. (Ny tenako manokana dia tsy manohitra io fomban-drazana io raha atao mifanaraka amin'ny zava-misy ankehitriny). Izao mantsy : ilay namako iray izay (izay nahita fianarana satria mpampianatra eny ankatso) dia nilaza mihitsy fa ny antony iasany 12volana ao anatin'ny taona dia ny mba hahitàna vola hanaovam-pety amin'ny famadihana. Tsy manakiana azy aho satria volany aloha iny. Fa hoy aho any an-tsaiko any hoe : 'maninona zao raha mba ahena ny vola lany @'zany ary anaovana asa soa, na asa fampandrosoana ny ankamaroan'ny vali-kasasarana ?!!

    Soanja > Mananona aloha ô! elaela e! Mahatsikaiky indray iny nolazainao iny. Marina mihitsy ny fandinihanao. Maniry hanan-java-baovao ny malagasy nefa tsy mahay mikarakara.Koa ity hevitra iray (tsy haiko raha azo tanterahana) :

    Voalohany dia fefena ilay izy, asiana fanalahidy (ka hidina @ alina). Misy tompon'andraikitra mitazona lakile. Ny fanadiovana indray dia ny isam-pianakaviana no mandefa ankizy solontena 1 hanadio (ankizy 8 isan-kerinandro ohatra : 4 ny alarobia, ary 4 ny asabotsy hariva). Izay fianakaviana tsy te handray anjara dia mandoa vola (100Ar ohatra) ary mampilaza mialoha. Ny vola azo dia atao ividianana savony, "sceau", taratasy ifirana :), sns.

    Ny mahatonga ahy handroso ireo hevitra ireo dia satria mifanjàna ilay olona raha vao tsy asiana tompon'andraikitra sy rafitra mazava. Ilay tompon'andraikitra kosa dia omena fahefana : izy no manara-maso ny fahadiovana, mitana vola, sns ary afaka mandrara ny fampiasan'ny fianakaviana izay tsy nahavita adidy. Ary hevitro manokana farany ity, ary fomba demokratika :) : atao peta-drindrina eo ambavahadin'ny lava-piringa ny lisitry ny fianakaviana ao an-tanana, ny daty fanadiovana mifandraika amin'izany, ary ireo tsy nahavita adidy.
    Ny mpandalo [tsy anatin'ny fokontany] moa dia mandoa vola vao afaka mampiasa izany : 10Ar ohatra :) .

    Io hvitro io angamba ry Rhevi no mety ho "hevitra ambony latabatra" :). Ny antony nandrosoako an'io dia :
    - tsy haintsika matetika ny manolokolo zavatra nomena maimaim-poana,
    - tsy haintsika ny mamehy tena fa dia mila lalàna kely foana,
    - tsy haintsika ny manara-dalàana raha tsy domina kely amin'ny ambom-pontsika isika (ilay fametrahana ampahabemaso ny anaran'ny fianakaviana tsy nahavita nanasa kabône io hihihihi. baraka tsisy toy izany angamba hihihi).

    Farany, momba ilay resak'i Rhevi : ilaina tokoa ny manantona hatrany ireo zokiolona rehefa mankeny ambanivohitra, ary ilaina torak'izany koa ny miresaka amin'ireo avara-pianarana ao sy ireo mpiavy (izay mba efa nahita zavatra hafa). Fany tena ilaina dia mpanentana mahay sy mahavita miresaka amin'ireo sokajy telo ireo : dia ny toa anao sy Soanja e :).

    Toa handroso ihany Gasikara raha izao no mitohy :P.
    Misaotra fa nahaliana ilay resaka lava-piringy :P.


  3. tokinao said: ok

    12/01/2009, at 21:25 [ Valio ]

    tokinao

    leboda >>> mialatsiny fa heveriko fa mbola tatsy amin'ny blaogin'i Rhevinilson zah (http://rhevinilsen.blaogy.com/post/492/5816#comments).
    hihihi


  4. soanja said: Misaotra Tokianao

    13/01/2009, at 03:20 [ Valio ]

    Miarahaba ny rehetra indray,

    Tratry ny taona Tokianao a, Elaela tokoa izay.

    Misaotra indrindra Tokinao amin'ny fanomezana torohevitra monba ny fikarakarana ny zavabaovao iombonana any amin'ny fiarahamonina any Dago any. Tena misy arahina tokoa io.

    Isan'ny zavatra iandreketako moa izao amin'izany asa zany dia ny famitana ny MOU (Manual of Understanding) izay tena zavadehibe tokoa amin'ny fananganana na fametrahana zavatra iray eo anivon'ny fokontany na fiarahamonina iray. Ka amin'io MOU io no ifanarahan'ny rehetra izay asa sy andraikitra avy. Tsy maintsy misy fikambanana na vondron'olona mitsangana ara-panjakana mandra ilay zavabita sy manaramaso sns.. sy n fifmpiefehezana ao anaty. Ary reo dia miainga lalandava amin'ny fifamifehezana ea misy ao amin'ilay fiarahamonina: ohatra hoe ny ampanjaka, ny zatovolahy sns... Firy ny tranobe iasana sns ahoana ny fifandraisana ao.
    Na izany anefa na tsy izany dia manahy faona ny tena , ary izay no tsy maintsy iasana mafy hoe hatomboka any amin'ny ankizy ny fanabeazana satria na dia efa laniko tsianjery daholo aza ny asa fanentanana n olon-dehibe dia tsy voatery andaitra maharitra ny hafatra nampitaina.

    Manana ny fotoanany ny fiovana fijery sy famindra. Mila milomano ao anatin'izay fotoana izay aho va hino fa tafita ny hafatra. Ny fahafantarana io fotoana io no tena zavadehibe.

    Mino aho fa efa antomotra izay ka! hihihi....

    Mazotoa daholo miasa!