Zay mangina volamena!!!! saingy toa aleo miteny ihany na dia ho varahina aza!!!!

Eny herintaona mahery zay no tsy nanoratra intsony. Leo angamba sa tofoka!!!! Zao anefa herintaona aty aoriana dia voatery miteny na dia ho varahina satria  tena tsy nisy fiovana ny toe-draharaha.

Nihamafy fo sy nanampi-tsofina (azafady indrindra fa manampahefana no resahana nefa izay no zavamisy) ary tena manao bontolo ity fitondrana ity hatrizao. Tanora tokoa ve? Sa voan'ny sagondi-panina ataon'ireo efa goaik'antitra manodidina azy?

Inona ny fiovana nisy hatrizao? Filoha Avon'ny Tetezamita i Andry Rajoelina. Ny fomba fanao dia ireo izay notsikerana teny amin'ny Kianjan'ny 13 May herintaona lasa izay no averina rehetra ary mbola mihoatra satria TGV ny milina ampiasaina ary miaramila no manao politika ka manahiran ny mamoaka hevitra satria fantatra fa manana Kalachinov reo. "Fiaraha-monina amin'ny mpanombi-kena hono, tahotra no be satria manana antsy foana izy any antsikinany any".

Ireto farany ireto no mampieritreritra satria toa misy ady antrano tsy tana intsony fa ho vaky bantsilana satria tsy nety ny fizarana ny saosy tao!!!! Fantatra izany izao fa reask tombotsoa manokana no nentina tao fa tsy misy izany "TOMBOTSOA AVON'NY FIRENENA" izany akory. Omeo porofo mifanohitra aho dia ho fafako io soratra io.

Ary ireto mpiara-mitolona? Vao maika loza ny zava-misy fa "harona feno foza (orana) no tao hoy Johary Ravoajanahary zay (ary nankaiza izy fa toa tsy hita intsony sa be resaka loatra dia nakisaka fa belazao!!!!). Mbola tsy tafita akory ny tolona dia efa samy mandeha samy mitady ry zareo ao. Eny tokoa, misy izany Défi 2010 zany, dia misy izany UDR izany koa!!!! Ary misy ireo izay efa nisintaka amin'ny fomba mihaja.

Etsy anoloana, ireo mpanohitra indray dia tsy fantatra izay tena marina. Fanambadiana an-tery é ka mionona amin'ny hoe :"izao no anjara é". Samy efa zokiny nefa vingavingain'ity boay kely ity eto!!! Manambatra hery aloha hatrizao fa ilaina izany, saingy toa efa misy afindrafindrao koa ao izany.

Ary inona marina no tena ilain'ireto Fianakaviambe iraisam-pirenena ireto é? Toa tsy mitovy fijery ry zareo indraindray nefa toa samy mandrahona hamely kanota nefa toa tsy taitra lay Boay kely fa mbola mankasarotra indray aza. Omena fe-potoana nefa toa ahemotra indray!!!!

Ary isika vahoaka manoloana izany rehetra izany? Vey asa ny ankamaroany satria tsy mandeha ara-dalana ny toekarena. Mitaky fanondrotana karama sy tombotsoa nefa ny hetra sy ny enti-manana tsy misy. Diso aho, misy ihany ny atao rehefa ho an'ireo miaramila , polisy sy zandary (na dia tsy nety aza ny fizarana ilay vola tany amin'i Ravalomanana!!!). Ka rah mahazo valiny mahafâpo eo ianareo mpitsabo dia hangataka koa izahay mpampianatra (ary efa misy izany izao). Dia mba mitaky koa izahay mpianatra eny amin'ny Oniversite koa izao.  Dia hisy filaharana koa zany? Zany hoe "rà mandriaka" indray ve? Aoka kosa é!!! Ny tamin'ny 07 Fvrie aza tsy misy tompon'andraikitra mazava hatrizao koa mbola ampiana hafa koa ve?

Toa tsy ho zakan'ilay boay kely ireto fitakian ireto sy ity fisavorovoroana eo amin'ny samy miaramial sy tafika ity. Fa iza aary no tena manolo-tsaina azy ao io é? Efa niala tao ny sasany kosa é!!!! Fanisy inona tao? Efa misy fofona hafahafa ao ny tena marina! Maimbo? Masiso? Maimbo-raikina? Asa re fa dia "eo tsika mahita izy"

Fehiny, raha tsy tena misy filaminana marina eto : tsy misy fisamborana sy ramatahora, mahazo maneho hevitra daholo ny rehetra, mahazo milatsaka ho fidiana izay te-ho kandidà, asaina miverina andakazera ireo miaramila rehetra tsy ankanavaka (mandeha misambotra ireo tena dahalo marina sy tontakely), ekena fa ny hevitry ny maro no mahataka-davitra (fa tsy teny ifampierana samy olona mitovy firehana fotsiny) ary tena omena porofo fa samy nantsoina tsy misy sakatsakana, ekena koa fa samy tompon'andraikitra tamin'ny zava-nitranga hatrizao, tena iainana ny fihavanana ka tsy misy atao tsindrio fa lavo eo,.... sy ny sisa izay tena mahasoa ; rah tsy ireo no itadiavana izay hevitra ivelomana azy ireo dia afaka manao TETEZAMITA valo taona ohatran'ny any Cote d'Ivoire koa isika!!!! Satria tsy hitombina izay hitondra eo fa mbola hisy indray ny fanonganam-panjakana ka tovovavy 20 taona indray no hitarika azy!!!! Andron'izy ireo tokoa moa androany!!!! Eny modely ratsy ity krizy ity ary afaka mijoro vavolombelona amin'izany ireo manan-janaka rehetra.

(0) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Didy Maso asiam-panafody ka mahareta hanana ny Soa e! Hidinika izy roalahy ka MAHARETA

Dia nifampidinika ihany ny farany satria efa sokina nananibato (jereo lahatsoratra taloha).

Tsy maintsy mifampidinika tokoa satria namerina ny tantara indray ry zareo fa nanadino fa efa nisy izany tamin'ny taona 1991. Mety mbola zaza i Andry ka tsy tsaraoany ny nisian'izany; i Ravalomanana ndray angamba mbola mpandraharaha ka variana nitady vola e!

Efa nisy io (vakio ny lahatsoratra hafa ao amy Blaogin'ny namana zay isaorana etoana). Fa ny tiako hambara dia inona no fanavaozana na zava-baovao entiny ary raha tiana ny mamerina azy. Mitovy amin'ny Lamaody mantsy ka miverina fa misy fanamboarana kely fotsiny fa efa teo ihany.

Moa ve sahy isika handray fanapahan-kevitra fa HAPETRAKA AMIN'IZAY NY FITSARANA TAMPONY NATOKANA ho an'ny mpitondra?

Moa ve vonona isika hametraka fomba fiasa miaraka mihafy marina ka samy hiasa adiny 14 MARINA isanandro mba samy hamokatra marina?

Moa ve samy vonona HIADY AMIN'IZAY ENDRIKA KOLIKOLY hatrany ambony ka hatrany ambany? Fa io no mambotry firenena ka mampahantra ny vahoaka tsy mandady harona.

Moa ve sahy handray fepetra ny FIANGONANA REHETRA TSY ANKANAVAKA ka hanarina ny tsy mety, ireo modely sy toetra sadasada : Mompera manana rafozana! Pasitera manana vady kely, Presbitera sipan'ny Prezidan'ny Vehivavy Masina! I Diakona tsy mety matotra! Ny Mpiandry mifosa olona sy mitsikera olona nefa koa mba mangalatra kely etsy, mandeha mijery DadaRabe! sns.....Vonona ve isika tsy hanao FIAFENANA NA RINDRINA ny fivavahana?

Manana ny fahasahiana ve isika hamelona ireo SOA TOAVINA malagasy ka tsy ho menatra ny hivelona izany satria SADASADA isika izao? Tsy vazaha! tsy malagasy rahateo! tsy kristianina! tsy jentilisa koa! 

Mety hiteny ianareo hoe : lasa adala i Leboda! nifoka daina ve? Sa tsy nahazakan'ny krizy ntsony fa efa nahita loatra? Eny tokoa nahita ny 1971, 1972, 1991, 2002 ary ity 2009. 

Tsy adala na mamon-drongony sanatria fa TSY TE-HANDEVIM-BELONA dia manongo sy manisy vy mahamay ny MATY e!

Koa MAHARETA SY MISIKINA fa Didy Maso asiam-panafody ka mahareta fa hanana ny Soa. Amin'ny manaraka indray e!

(0) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

TENA TAMPI-DALAKALEHA VE ISIKA OHATRAN'NY SOKINA NANANIBATO SANATRIA

Dia miondrika ampanajana amin'ireo zay namoy ny ainy tamin'ity raharaha nitranga teto Madagaskara ity ny tenako.

Eny tokoa, nisy ireo maty efa hatramin'ny Alatsinainy 26 Janoary ka hatramin'ny Asabotsy 7 Febroary teo dia efa mety feno 100 ny isan'ireo namoy ny ainy. Fa ireo tamin'ny Asabotsy teo iny no tena nahitana fa efa diso lalana isika mianakavy. Eny diso lalana isika raha misy milaza fa tsy maintsy misy sorona ny tolona. Eny diso lalana isika raha milaza fa mpandroba avokoa ireo olona milahatra sy mihaino ny kabary fanehoan-kevitra teny Ambohijatovo, teny amin'ny 13 mai, teny amin'ny kianjan'ny demokrasia tao Toliara, teny amin'ny Gara tao Fianarantsoa, sns ... tsy voatanisa etoana.

Eny diso lalana koa isika raha milaza na mihevitra fa mila miandry ny fe-potoana amin'ny fifidianana raha tsy afapo amin'ny fitondrana ara-dalana. Eny diso lalana ihany koa isika raha mihevitra fa eny andalambe no fara-hevitra ahafahana manongana fitondrana. Eny mbola diso lalana koa isika fa tsy mitombina ny fitakiana nataon'ireo milaza fa mitolona ireo. 

Fehiny, DISO DAHOLO ISIKA MIANAKAVY! Miala tsiny miala fondro ny tenako raha miteny an'izany saingy ny zavamisy ankehitriny no manery ahy hilaza izany satria ireto ny antony :

- Tena sokina mananibato ve ny Mpitondra ka sahy nanamaivana ilay fihetsehana nitranga?

- Tena sokina nananibato koa ve ireo Mpitarika ny vahoaka ka tsy nianona tamin'ny kianjan'ny Demokrasia fa tsy maintsy nandeha teny amin'ny 13 Mai dia lasa nandeha nanimba ny RNM sy ny TVM ka nitatra hatrany amin'ny fananan'olotokana ary voaroba tao koa ny fananan'ireo olona hafa tsy mahalala izay antony nahavoaroba ny fananany. Ary tsy nionona teo fa nanohy ka niafara teny Ambohitsorohitra izay namoizana olona ampolony sy naharatrana olona anjatony maro.

- Tena sokina nananibato koa ve ireo Diplomaty vahiny teto Madagasikara ka rehefa nifampidinika indray mandeha dia nijanona teo.

- Tena sokina nananibato koa ve ireo Ray amandreny ara-panahy ao amin'ny FFKM ka efa hipoaka ny saro-bilany vao tonga hampihavana ireto mifanandrina.

Tsy sokina nananibato avokoa ireo voalaza ireo fa VOAN'NY FANDREKIREKENA daholo. Eny tompoko, raha tsy izany dia efa tokony nandray ny andraikitra tandrify azy avokoa.

Fa inona ary no nahatonga izany rehetra izany? Tena nahomby sy nahavoa ny HERIN'NY TSAHO. %3

(5) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Very tokoa ve ilay Maha-malagasy antsika ve? Dia tsy maintsy nodorana sy nosimbaina avokoa ve?

Aty lavitra aty izahay no mahazo vaovao mitsitapitapy ary tena tompotrano mihono satria tsy mandeha ny RNM sy ny TVM dia mifindra MBS indray dia tsy misy koa, dia mifindra Radio Lafa mampita RDB dia hirahira ny ao. Soa ihany fa nisy ny finday ka akory ny hatairana fa efa mandoro ny fananam-bahoaka (eny tompoko, na iza na iza hitondra eo dia fananana iombonana io!) dia ny RNM sy ny TVM. Dia niroso ny fahavoazana ka may daholo ny fananan'i Ravalomanana (MBS, Magro,..). Saingy nahafatesan'olona izany, tena mampalahelo,...miondrika am-panajana amin'ireo namoy ny ainy ny tenanay.

Tsaroako eto anefa ny fandrombana ireo karana natao tao Toliara sy Antsirabe tamin'ny fotoan'androny satria misy fiantohana ireny fananana ireny ka dia voasolo indray ary ny tena loza dia mahazo vola amin'ny ara-dalana ny tompon'ny fananana simba tompoko. Avelako eo iny.

Fa ny tiako isintomana antsika vetivety hoy lay fandrotrarana an-tanana haolo izay, tsy hamingana akory fa hitazona anao mba hidinika e!

Iza moa no nametraka an'i Ravalomanana ho Filoha teo? Indrindra fa ity fihodinana faharoa ity? 

Raha ohatra ka hametraka olona vaovao indray isika zany zao fa fanirian'ny maro izany dia ahoana indray ny fitsipika ifampifehezana izany? Omena 4 taona aloha hiasany dia averina laniana indray dia aongana teo indray rehefa tsy mamely? Sa tena handray fepetra marina isika ka hisy teny ifanomezana marina ka raha vao dila ny lera nifanarahana dia aongana indray? Izay marina ve ny tiantsika hatao? 

Moa ve ilay hasolo eo efa vonona any sa rehefa tonga eo isika vao hifandinika indray ka hametraka izay ho eo?

Tena olona afaka  hihafy tokoa ve? Hiaraka hidinika ka hifanraka fa samy hihafy marina? Afaka hizaha ifotony marina ve? Sa mbola avela ireo mpiasam-panjakana tsy miasa marobe nefa mandray karama isam-bolana mandavataona? Marobe ireo olona ireo no mitsentsitra ny firenena toy izany.

Afaka hiady marina amin'ireo kolikoly misy eto marina ve? Satria ireo no  mampahantra ity firenena ity ka handoa ny trosa tsy toko tsy forohina fotsiny fa tsy nisy zavatra tena nijoro ka nitondra fiovana fotsiny.

Firy moa ireo fotodrafitrasa eny ambanivohitra no miteraka olana amin'izao fotoana izao? Satria nisy kolikoly be tao. Lasa niteraka fisarahana eo an-tanana ilay fotodrafitrasa nantenaina hitondra fandrosoana.

Raha tena ankinina amin'ireo fokonolona eny ambanivohitra marina ny fitandroana ny fandriampahalemana eny dia milamina fa idiran'izao manam-pahefana sy mpanararaotra izao dia mikorontana. Tsy misy mpanao ratsy tafiditra ao an-tanana raha tsy misy olona avy ao mampandroso azy ireo. 

Very ilay maha-malagasy : mandady rariny, miara-midinika, mandala ny fihavanana, mitandro ny aina, .....

Tsy misy mihaino raha tsy mikiakiaka, manimba zavatra, misy aina afoy, manimba fananana, ....

Mivavaha mafy isika fa ambavahaon'ny zavadoza tsy hita fiafarana isika izao.

 

(3) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Kolontsaina inona ary no iveloman'ny gasy izao?

Salama daholo e!

Dia  misaotra betsaka amin'ny namana nandray anjara amin'ny ady hevitra.

Tonga teto ny mpanjanaka dia nanao zay ho afany nametraka ny kolontsainy. Dia niditra koa ny fivavahana ary niezaka nametraka izay ho afany.

Misy lafiny tsara sy ratsy anefa ny fiantraikan'ireo kolontsaina sy fombafomba ireo.

Ny lafiny ratsy no tena misongadina ary mbola mikiky ny tsirairay eto amintsika.

Ny kolontsaina frantsay ary no itondran-tsika ohatra amin'izany lafiny ratsy izany. Eo amin'ny resaka politika dia io iarahantsika mahita io no sisa navelan'izany lafiny ratsy izany. Fitiavan-tena sy fitiavan-tseza no tena mibahana. Tsy firy ireo mpanao politika manana hevitra tena mifototra amin'izay fampandrosoana na farafaharatsiny mitondra ny tena ady hevitra fototra politika izany fa resaka fanenjehana sy fanaratsiana no mibahana. Tsy manana hevitra fototra mikasika ny tena lalana na soridalana entina hampandroso. Amin'izao fotoana izao dia voaporofo izany satria tsy afaka miray hevitra na handrafitra tetikady mazava atolotra ny vahoaka mba hivoahana amin'ny fahoriana sy fahasahiranana lazaina fa iveloman'ny malagasy.

Tsapan'ny vahoaka sahady fa fitadiavana seza aloha vao ny vahoaka e! Miady ho lohany fotsiny fa tsy afaka mandroso hevitra mazava fa mihodikodina sy mienikenika ampitoerana eo fotsiny. Miandry kendry tohana fotsiny fa tsy misy manana hevitra tena mazava. Rehefa tonga eo hita indray e fa tohano aloha. Izay foana ny tantara nisy teto amintsika.

Eo amin'ny sehatra fikarohana sy toekarena dia atao sakana lehibe ny tsy fisian'ny enti-manana sy ny tsy fahampian'ny fitaovana.

Ny amin'ny resaka fivavahana indray dia ny fisaratsarahana sy ny fitsikerana ny hafa finoana no asesika ary vesaran'ny ohatra mifanohitra amin'ny tena voalazan'ny soratra masina.

Tsy mampaninona izany hoe kristianina mifampitory sy mifanaratsy ao amin'ny filazam-baovao sy ny fitsarana izany. Tsy misy henatra ary tsy mandratra ny sofina mihitsy izany hoe : Pretra manana rafozana sy zaodahy na zaobavy ; Pasitera manana vady kely, sns.... 

Inona ary no mbola sisa maha-malagasy? 

Mbola ao io e! Jereo anie ireny vehivavy malagasy miankanjo fohy sy manao itony pataloha milatsaka ny tepany na manao ity akanjo mampiseho foitra ireny. Sahirana mampisondrotra ilay pataloha, mampidina ity zipo fohy na ilay akanjo ambony. Satria ao anaty ao misy zavatra tsy manaiky.

Fatra-panaja sy manana henatra ny tena malagasy. Manana faharetana amin'izay atao. Manana hambo-po sy fitiava-tanindrazana lalina. Mitandro ilay fihavanana, aina ifandrohizan'ny mpiara-belona. Mbola misy mivelona ilay fiaraha-mientana sy firaisankina ka mahavita manangana sy manorina amin'izay eo ampelatanany.

Raha tena resy lahatra ny mpiara-monina dia mahavita mamindra tendrombohitra mihitsy. Amin'iny Distrikan'i Betroka iny dia misy fokonolona nahafoy trano atao lakilasy ianaran'ny zanak'izy ireo. Efa manorina sekoly lehibe amin'ny herin'ny tenany ary niaraka nanapa-kevitra fa hosaziana tsy ho mpiara-monina izay mbola tsy mampiditra ny zanany an-tsekoly. 

Misy koa amin'iny Distrikan'i Beloha Androy iny sahy manasazy izay ray aman-dreny mampijanona ny zanany vavy amin'ny fianarany fa misy lehilahy hampakatra vady azy nefa mbola ao amin'ny ambaratonga voalohany.

Fehiny, ario daholo ireo lafiny ratsy amin'ny kolontsaina frantsay nifikiran-tsika sy ny fanaovana fefy sy fialofana ny fivavahana ka tsy tena mivelona izay inoana marina ary tadiavo sy karohy ireo soa toavina tena malagasy fa hery ahafahana miala amin'izao fahantrana izao.

Nahoana ireo sinoa, japoney, vietinamianina ary ireo firenena izay misongadina amin'izao ireo no tafavoaka? Satria niantehitra marina amin'ireo vahoakany izy ireo. Mbola iveloman'izy ireo ny kolontsainy sy ny finoany ary tsy mahamenatra azy ireo izany.

Hatreto indray aloha ary fa dia misaotra mialoha amin'izay hitondra hevitra ahafahan-tsika mandalina foana hatrany

Leboda ihany e!

 

 

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)