Very tokoa ve ilay Maha-malagasy antsika ve? Dia tsy maintsy nodorana sy nosimbaina avokoa ve?

Aty lavitra aty izahay no mahazo vaovao mitsitapitapy ary tena tompotrano mihono satria tsy mandeha ny RNM sy ny TVM dia mifindra MBS indray dia tsy misy koa, dia mifindra Radio Lafa mampita RDB dia hirahira ny ao. Soa ihany fa nisy ny finday ka akory ny hatairana fa efa mandoro ny fananam-bahoaka (eny tompoko, na iza na iza hitondra eo dia fananana iombonana io!) dia ny RNM sy ny TVM. Dia niroso ny fahavoazana ka may daholo ny fananan'i Ravalomanana (MBS, Magro,..). Saingy nahafatesan'olona izany, tena mampalahelo,...miondrika am-panajana amin'ireo namoy ny ainy ny tenanay.

Tsaroako eto anefa ny fandrombana ireo karana natao tao Toliara sy Antsirabe tamin'ny fotoan'androny satria misy fiantohana ireny fananana ireny ka dia voasolo indray ary ny tena loza dia mahazo vola amin'ny ara-dalana ny tompon'ny fananana simba tompoko. Avelako eo iny.

Fa ny tiako isintomana antsika vetivety hoy lay fandrotrarana an-tanana haolo izay, tsy hamingana akory fa hitazona anao mba hidinika e!

Iza moa no nametraka an'i Ravalomanana ho Filoha teo? Indrindra fa ity fihodinana faharoa ity? 

Raha ohatra ka hametraka olona vaovao indray isika zany zao fa fanirian'ny maro izany dia ahoana indray ny fitsipika ifampifehezana izany? Omena 4 taona aloha hiasany dia averina laniana indray dia aongana teo indray rehefa tsy mamely? Sa tena handray fepetra marina isika ka hisy teny ifanomezana marina ka raha vao dila ny lera nifanarahana dia aongana indray? Izay marina ve ny tiantsika hatao? 

Moa ve ilay hasolo eo efa vonona any sa rehefa tonga eo isika vao hifandinika indray ka hametraka izay ho eo?

Tena olona afaka  hihafy tokoa ve? Hiaraka hidinika ka hifanraka fa samy hihafy marina? Afaka hizaha ifotony marina ve? Sa mbola avela ireo mpiasam-panjakana tsy miasa marobe nefa mandray karama isam-bolana mandavataona? Marobe ireo olona ireo no mitsentsitra ny firenena toy izany.

Afaka hiady marina amin'ireo kolikoly misy eto marina ve? Satria ireo no  mampahantra ity firenena ity ka handoa ny trosa tsy toko tsy forohina fotsiny fa tsy nisy zavatra tena nijoro ka nitondra fiovana fotsiny.

Firy moa ireo fotodrafitrasa eny ambanivohitra no miteraka olana amin'izao fotoana izao? Satria nisy kolikoly be tao. Lasa niteraka fisarahana eo an-tanana ilay fotodrafitrasa nantenaina hitondra fandrosoana.

Raha tena ankinina amin'ireo fokonolona eny ambanivohitra marina ny fitandroana ny fandriampahalemana eny dia milamina fa idiran'izao manam-pahefana sy mpanararaotra izao dia mikorontana. Tsy misy mpanao ratsy tafiditra ao an-tanana raha tsy misy olona avy ao mampandroso azy ireo. 

Very ilay maha-malagasy : mandady rariny, miara-midinika, mandala ny fihavanana, mitandro ny aina, .....

Tsy misy mihaino raha tsy mikiakiaka, manimba zavatra, misy aina afoy, manimba fananana, ....

Mivavaha mafy isika fa ambavahaon'ny zavadoza tsy hita fiafarana isika izao.

 

(3) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Kolontsaina inona ary no iveloman'ny gasy izao?

Salama daholo e!

Dia  misaotra betsaka amin'ny namana nandray anjara amin'ny ady hevitra.

Tonga teto ny mpanjanaka dia nanao zay ho afany nametraka ny kolontsainy. Dia niditra koa ny fivavahana ary niezaka nametraka izay ho afany.

Misy lafiny tsara sy ratsy anefa ny fiantraikan'ireo kolontsaina sy fombafomba ireo.

Ny lafiny ratsy no tena misongadina ary mbola mikiky ny tsirairay eto amintsika.

Ny kolontsaina frantsay ary no itondran-tsika ohatra amin'izany lafiny ratsy izany. Eo amin'ny resaka politika dia io iarahantsika mahita io no sisa navelan'izany lafiny ratsy izany. Fitiavan-tena sy fitiavan-tseza no tena mibahana. Tsy firy ireo mpanao politika manana hevitra tena mifototra amin'izay fampandrosoana na farafaharatsiny mitondra ny tena ady hevitra fototra politika izany fa resaka fanenjehana sy fanaratsiana no mibahana. Tsy manana hevitra fototra mikasika ny tena lalana na soridalana entina hampandroso. Amin'izao fotoana izao dia voaporofo izany satria tsy afaka miray hevitra na handrafitra tetikady mazava atolotra ny vahoaka mba hivoahana amin'ny fahoriana sy fahasahiranana lazaina fa iveloman'ny malagasy.

Tsapan'ny vahoaka sahady fa fitadiavana seza aloha vao ny vahoaka e! Miady ho lohany fotsiny fa tsy afaka mandroso hevitra mazava fa mihodikodina sy mienikenika ampitoerana eo fotsiny. Miandry kendry tohana fotsiny fa tsy misy manana hevitra tena mazava. Rehefa tonga eo hita indray e fa tohano aloha. Izay foana ny tantara nisy teto amintsika.

Eo amin'ny sehatra fikarohana sy toekarena dia atao sakana lehibe ny tsy fisian'ny enti-manana sy ny tsy fahampian'ny fitaovana.

Ny amin'ny resaka fivavahana indray dia ny fisaratsarahana sy ny fitsikerana ny hafa finoana no asesika ary vesaran'ny ohatra mifanohitra amin'ny tena voalazan'ny soratra masina.

Tsy mampaninona izany hoe kristianina mifampitory sy mifanaratsy ao amin'ny filazam-baovao sy ny fitsarana izany. Tsy misy henatra ary tsy mandratra ny sofina mihitsy izany hoe : Pretra manana rafozana sy zaodahy na zaobavy ; Pasitera manana vady kely, sns.... 

Inona ary no mbola sisa maha-malagasy? 

Mbola ao io e! Jereo anie ireny vehivavy malagasy miankanjo fohy sy manao itony pataloha milatsaka ny tepany na manao ity akanjo mampiseho foitra ireny. Sahirana mampisondrotra ilay pataloha, mampidina ity zipo fohy na ilay akanjo ambony. Satria ao anaty ao misy zavatra tsy manaiky.

Fatra-panaja sy manana henatra ny tena malagasy. Manana faharetana amin'izay atao. Manana hambo-po sy fitiava-tanindrazana lalina. Mitandro ilay fihavanana, aina ifandrohizan'ny mpiara-belona. Mbola misy mivelona ilay fiaraha-mientana sy firaisankina ka mahavita manangana sy manorina amin'izay eo ampelatanany.

Raha tena resy lahatra ny mpiara-monina dia mahavita mamindra tendrombohitra mihitsy. Amin'iny Distrikan'i Betroka iny dia misy fokonolona nahafoy trano atao lakilasy ianaran'ny zanak'izy ireo. Efa manorina sekoly lehibe amin'ny herin'ny tenany ary niaraka nanapa-kevitra fa hosaziana tsy ho mpiara-monina izay mbola tsy mampiditra ny zanany an-tsekoly. 

Misy koa amin'iny Distrikan'i Beloha Androy iny sahy manasazy izay ray aman-dreny mampijanona ny zanany vavy amin'ny fianarany fa misy lehilahy hampakatra vady azy nefa mbola ao amin'ny ambaratonga voalohany.

Fehiny, ario daholo ireo lafiny ratsy amin'ny kolontsaina frantsay nifikiran-tsika sy ny fanaovana fefy sy fialofana ny fivavahana ka tsy tena mivelona izay inoana marina ary tadiavo sy karohy ireo soa toavina tena malagasy fa hery ahafahana miala amin'izao fahantrana izao.

Nahoana ireo sinoa, japoney, vietinamianina ary ireo firenena izay misongadina amin'izao ireo no tafavoaka? Satria niantehitra marina amin'ireo vahoakany izy ireo. Mbola iveloman'izy ireo ny kolontsainy sy ny finoany ary tsy mahamenatra azy ireo izany.

Hatreto indray aloha ary fa dia misaotra mialoha amin'izay hitondra hevitra ahafahan-tsika mandalina foana hatrany

Leboda ihany e!

 

 

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Mbola ilay resak kolontsaina ihany e!

Misaotra betsaka an'ireo efa namaly sahady ary izay mbola hitondra ny anjara biriky e!

Marina tokoa fa tena teorika hoy ilay namana izay lay resaka. Ekena tokoa izany.

Tsy ny fivavahana, na ny fanjanahantany tokoa no soketaina fa nanimba antsika fa tanara ireny ary nitondra zavatra samihafa teto.

Haka ohatra iray mba hamapazava ny tiana hambara ary aho.

Malaza ary tena ilofosana ny resaka rano, fidiovana ary fanadiovana amin'izao fotoana izao eto Madagasikara. Dia miasa amin'izany ny toeram-piasako.

Malaza fa tsy manaiky ny fampiasana ny lavapiringa ny aty amin'ny faritra atsimo.

Nanao fanentanana sy dinika mikasika izany tamin'ny Kaominia iray ny namana. Dia nijoro ny lehilahy iray fa fady aty amin'izy ireo ny manao lavaka sy mampiasa ny lavapiringa ary tena mila hanaovana sorona mba handiovana azy raha manao izany izy.

Dia nametraka fanontaniana ilay mpanentana tamin'ny besinimaro nanatrika teo hoe : marina ve izany? Dia namaly ny ankamaroany (indrindra fa ny tanora sy ny mbola tsy nahazo taona) fa marina io. Dia niangavy lay mpanentana raha misy zokiolona eo. Dia nitsangana ny lehilahy iray izay tena efa zokiolona tokoa.

Tsy marina izany hoy izy satria misy fitenenana aty amintsika milaza hoe : "Aza tratra hariva manary maloton-jaza sao voan'ny sovoka". Inona no dikan'izany? Tsy hoe ny sovoka no misy fa ilazana ny halaviran'ny toerana fanariana ny maloto ary efa voatokana izany.  Saingy noho ny fiovan'ny toetsaina dia eto an-tanana no anaovan'ny zaza maloto ary na dia ny olon-dehibe aza dia manao tsy lavitra ny tanana amin'izao fotoana izao. Ka tsy gaga isika raha tsy mahomby daholo ny atao rehetra satria efa tena maloto isika ka misintaka lavitra ny fanambinana rehetra.

Dia naverina tamin'ny rehetra ny fanontaniana ka tapakevitra ny rehetra fa averina io fomba amam-panao io. 

Dia nitsangana indray ny solontenan'ny kristianina fa tsy manaraka ny fomban-drazana intsony ry zareo ka inona no atao? Vakio ny ao amin'ny Baiboly Deteronomy 23, 13-15 hoy ilay Mpanentana izay efa nivonona tamin'ny Baiboly. Izao no voasoratra ao : Normal 0 false false false EN-US X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4

"Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan'ny toby ho fivoahanao;ary mitondrà fantaka miaraka amin'ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin'ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.

Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan'ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao."

Mazava ho azy fa tankina ireo kristianina rehetra ary nanapa-kevitra fa hanorina lavapiringa ny fiangonana ary isan-tokantrano dia samy hiezaka.

Ny Fokontany rehetra ao amin'io Kaominina io dia tapa-kevitra fa hamerina ny fomba teo aloha hatokana ho fivoahana ary any no hanorenana lava-piringa.

 

Inona ary no azo tsoahina amin'izay zava-misy izay?

Voalohany, efa very ny tena fomba amam-panao ka izay metimety amin'ny tsirairay no lazaina fa fomba ama-panao.

Faharoa, heverin'ny kristianina fa rehefa fomba amam-panaon'ny razana dia ratsy sy asan'i Satana avokoa ka aleveno impito mandifotr'olona nefa dia tena mitovy ny voalaza ao anaty Baiboly sy ilay voalazan'ilay zokiolona.

Fahatelo, na dia be fisainana sy fandinihana ireo razan-tsika fahiny dia efa mba nanana izay fandaminana niadiana tamin'ny loto izy ireo.

 

Fehiny, ilaina ny tena manao dinika miaraka amin'ireo zoky ray aman-dreny isan-tanana ka hahalalana marina ireo fomba fandaminana sy rafitra nisy ka niainana tamin'izany fotoana izany mba iaingana hatao fototra hanorenana na hanamafisana izay fampandrosoana rehetra tiana hapetraka. Maharitra sy hozanahin'ny olona tokoa izany ka haharitra satria mifanaraka amin'ny tena any anatin'ny aty fanahiny.

Ajanoko eto indray aloha fa sao dia lasa teorika indray hoy lay namana iray izay.

Amin'ny manaraka indray e!

 

LEBODA ihany e!

 

(4) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Raha tsy ivelomana marina ny KOLONTSAINA maha-malagasy dia tsy haharitra ny fampandrosoana

Ankafaliana sy ampanetretena no mba itondrana ny hevitra eto.
Inona tokoa moa ny angovo anaty mampandeha ny olona iray sy ny manodidina azy? Ny kolontsaina no sisa tavela rahefa lasa avokoa ny zava-drehetra hoy ny fitenenana izay.
Io kolontsaina io no hery fanoitra mitondra satria ao daholo ireo Soa toavina nifandovana ka ananana izay fomba fijery sy fisainana miatrika toe-javatra mitranga na atrehina isanandro.
Mbola manana izany kolontsaina izany ary ve isika malagasy? Eny tsy ampisalasalana ny valiny saingy hatraiza no mbola ivelomana azy ankehitriny?
Raha tonga teto antanindrazana ny fivavahana dia nolazaina fa asan'ny demony sy Satana ny fomban-drazana ary nohamafisin'ny fanabeazana sy fisainana tamin'izany fa efa lany andro izany fomba amam-panao izany.
Dia nanao izay ho afany ireo mpanjanaka satria isan'ny tetikady izany tamin'izany fotoana izany ka ny fomba amam-panao frantsay sy tandrefana no filamatra ary nosokajina ho mihemotra sy tsy liam-pandrosoana izay tsy mianatra sy tsy manaraka ny fomba rehetra tamin'izany.
Lasa ny mpanjanaka ary mahaleo tena isika efa 48 taona izay. Inona no zavamisy?
Ny fivavahana tsy naharesy lahatra satria amin'ny andavanandro dia mampiseho fomba sy fiainana sadasada ireo kristianina ka tsy afaka mampiseho ilay fiaraha-monina voalazan'ny Asan'ny Apostoly fahizay.
Etsy andaniny ny fomba frantsay tsy afaka nosalorana ny fombany satria akanjo tsy sahaza antsika.
Inona ary izany no atao? Fa inona no fiantraikan'ireo?
Tsy mety mandroso isika, nefa ny harena ananana misy, ny olona sy ny fahaizana misy be dia be ary isika malagasy no voalohany aty Afrika.
Ny antony tsy misy sahy mamaky bantsilana dia ny fahaverezan'ny kolontsaina na ny marina kokoa dia ny fahasimban'ny rafitra anaty ao amin'ny aty fanahy.
Mitovy amin'ny Solosaina isika raha oharina, ka efa nisy rafitra (systeme) ao voajanahary.
Samy niezaka ny Fivavahana sy ny fanabeazana tandrefana nanova io rafitra anaty (fisainana) io fa tsy nety niorina lay izy fa misy tsy mety mifanaraka (incompatible).
Inona ary no atao? Mbola ao aloha io rafitra anaty io fa mila diovina fa be izay otrikaretina nikiky azy tao izay (virus). Ny fifampidinihana amin'ireo Ray aman-dreny akanga sisa nanamborana sy ireo manam-pahaizana mikirakira izany mba hahafantarana marina ny tena nisy tamin'izany sy ny hevitra tao ambadika rehetra (ity no tena zava-dehibe).
Hivoaka ireo Soa toavina nimatimatesan'ireo razantsika rehetra. Dia halalinina izany ary jerena ny fanasivanana azo atao.
Izany hoe tsy kasihina lay rafitra anaty maha-malagasy fa ireo Soa toavina na hairaha sy haizatra no karohina ny hifanarahany amin'ilay rafitra anaty eo.
Iverenako lay ohatra mikasika ny Solosaina iny hampazava ny tian-kambara : tsy ovana ny rafitra anaty malagasy (systeme) fa lay Soa toavina vaovao na ny hairaha sy ny teknika no tefena mba hifanaraka amin'ilay rafitra ka tsy hanimba azy. Raha adika amin'ilay solosaina teo dia ny fahafahan'ny "Microsoft Office" ampiasaina amin'ny rafitra "Macintosh" sy ny fahafahan'ny rafitra "Windows" mampiasa ny "Adobe Photoshop" ary toy izany koa ny rafitra "Linux". Fanajana ny fisian'ireo rafitra ireo sy ny safidin'ny mpanjifa izany rehetra izany.
Toy izany koa ny tiana resahana eto. Hajaina ary asongadina ny kolontsaina malagasy rehetra. Anjaran'ireo Soa toavina hafa, ireo hairaha hafa, tosakevitra isan-karazany no mampifanaraka amin'ilay rafitra malagasy.
Ajanoko eto aloha fa miandry ny valin-kafatra aho sy ny fanontaniana mba hahafahan-tsika miady hevitra.
Amin'ny manaraka indray e!
 
LEBODA IHANY E

(2) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Tonga soa leboda!

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.

(0) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)